Sosialy

Namontana Nakatona avokoa ireo mpivaro-kazo sy mpanao volo


  • Sabotsy 11 Aprily 2020

Mbola betsaka amin’ireo mpivarotra eto amintsika no mafy loha tsy manaja ny lamina napetraka.

 

 

 Amin’ny ankapobeny mantsy dia ireo mpivarotra kojakoja ilaina amin’ny fiainana andavanandro sy ny legioma ihany no afaka mivoha. Ho an’ny tetsy Namontana manokana anefa omaly maraina dia mbola nivoha avokoa ireo mpanao volo , toerana tena mampivorivory olona betsaka sy ny mpivaro-kazo. Voatery nidina teny an-toerana mihitsy ny mpitandro ny filaminana noho izany nanao fanentanana sy niresaka tamin’ireo tompon’ny ivon-toerana mba hanakatona izany. Ankoatra izay dia niresaka tamin’ireo mpivarotra kojakoja hafa toy ny paka sy ny akanjo ihany koa ny mpitandro ny filaminana mba tsy hanararaotra ny ahafahan’ireo olona iray isan-tokantrano mandeha mivoaka mian-tsena isa-maraina. Mpivarotra 30 tsy nanara-dalana teo raha kely no nanaovana fanentanana teny an-toerana. Nilaza moa ireo mpitandro ny filaminana tsy handefitra amin’ny fampanajana ny lalana, indrindra ao anatin’izao fotoanan’ny fihibohana izao.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT