Sosialy

Namontana Maty nitsirara teny amin’ny arabe ilay lehilahy


  • Alatsinainy 10 Febroary 2020

Nahitana fatin-dehilahy iray manodidina ny 45 taona tetsy Namontana ny sabotsy lasa teo.

 

 

 

Niezaka ny nijery akaiky ity lehilahy ity nandritra ny ora maro ireo nanatri-maso sao mbola mihetsika ihany izy kinanjo tsy nisy vokany raha ny vaovao azo.  Raha araka ny resaky ny manodidina dia mety ho antony maro no nahafaty azy izay marihina fa tsy nahitana ratra aloha. Eo ny hanoanana nefa ny andro mafana, karazan’olona sahirana rahateo ny fahitana azy ankoatra ny resaka adin-tsaina amin’ny fitadiavana izay mahafaty tampoka raha tsy mitandrina. Maro  tokoa mantsy ireo olona tena miasa mafy, izay mampiasa vatana ary tena mitaky hery be toy ny fibatana entana , fitarihana posy sy sarety, manomboka vao maraina mandra-paharivan’ny andro, mitatitra entana etsy sy eroa mba hahazoana vola; kanefa tena tsy ampy sy tsy ara-pahasalamana ny sakafo hohanina ary efa tsy voahaja intsony ilay misakafo in-telo isan’andro.Mila tohan’aina be mihitsy anefa ny mampiasa vatana amin’izao andro mafana be izao araka ny fanazavan’ny mpitsabo, mila sakafo sy rano ny vatan’olombelona hisorohana ny tsy fahatomombanana ara-pahasalamana tampoka.

 

 

Pati

 

 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT