Sosialy

Namontana Hampidirina ao anaty tsena avokoa ny mpivarot ra


  • Alakamisy 11 Jona 2020

Nidina ifotony teny amin’ny tsenan’Anosibe omaly ny Ben’ny tanànan’Antananarivo renivohitra Naina Andriantsitohaina.

 

 

 Nandritra izany no nijereny ireo sarona dalle ahiana handratra olona eny Anosibe sy ny lavadavaka amin’ny lalana ankoatra ny toerana fijanonan’ny fiara izay nomarihiny manokana fa tokony alamina sy amboarina ihany koa. Taorian’izay dia nitohy teny amin’ny tsenan’i Namontana ny diany nihaino ny hetahetan’ireo mpivarotra sy ny asa maika tokony hotanterahina eny an-toerana. Nandritra izany no nahafantarana fa hampidirina ao anatin’ny tsena avokoa ireo mpivarotra minia mivarotra eo ivelan’ity tsena iray ity. Mbola tena malalaka mantsy ny ao anatin’ny tsenan’i Namontana. Olana anefa ny fahalainan’ireo mpivarotra hampiasa izany foto-drafitrasa izany ka tsy maintsy hitadiavam-bahaolana. Hatomboka tsy ho ela araka izany ny fandaminana sy ny fikarakarana rehetra ho tombontsoan’ny rehetra, indrindra fa ny mpampiasa lalana.

 Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT