Sosialy

Namono nahafaty ny vadiny Maka saina any am-ponja ilay lehilahy


  • Zoma 16 Oktobra 2020

Tratran’ny polisy teny Ambodivona/Soavimasoandro ny Talata alina teo ihany ilay lehilahy namono nahafaty ny vadiny teny Ambodivona Soavimasoandro.

 

 

 Ny polisy miasa ao amin’ny CSP 8 Analamahitsy no nahatratra azy io rehefa nanao ny fikarohana. Raha tsiahivina kely ny tantara dia nitrangana adina mpivady tao amin’io toerana io tamin’io andron’ny Talata io. 19 taona ilay lehilahy raha 23 taona kosa ilay Ramatoa. Efa tsy nahatsiaro tena intsony ity farany no sady feno ratra ny lohany sy ny vatany nandritra ny fotoana nahatongavan’ny polisy tao an-tokantranony. Ilay lehilahy vadiny kosa nentina avy hatrany tany amin’ny paositry ny Polisy CSP8 ary natolotra ny BC2 Anosy nanohizana ny fanadihadiana. Fantatra tamin’izany fa mpivady niray trano nandritra ny 6 taona izy ireo, tsy vita fomba ary mbola tsy niteraka. Tamin’io harivan’ny 13 oktobra ; rehefa avy niasa izy mivady dia nisotrosotro tany ivelany. Nandritra izany fisotroana izany dia nivoaka kely ramatoa ary nanome vola olon-kafa. Iny fanomezam-bola olona hafa iny no niandohan’ny fifamaliana ka notakian’ilay lehilahy tamin’ilay ramatoa. Niakatra ny hatezeran-drangahy ka rehefa tsy ampy ny famelezany daka sy totohondry ilay vehivavy dia nakany tahon-kifafa ary novelesiny tamin’ny tongony, ny vatany ary ny lohany ka nahatonga ilay ramatoa tsy nahatsiaro tena. Rehefa tonga tany amin’ny hopitaly moa ity farany dia tsy tana intsony ny ainy. Natolotra ny fampanoavana ny omaly ny lehilahy ary naiditra am-ponja vonjimaika.

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT