Namaha olana i Boni

Maimaimpoana ny rano eny Alakamisy Fenoarivo


  • Talata 22 Oktobra 2024

Maimaim-poana ny fahazoana rano fisotro madio eny Alakamisy Fenoarivo, distrikan’Atsimondrano

manomboka anio Talata 22 Oktobra. Ny kandida Ben’ny tanana natolotry ny antoko Tia Tanindrazana Rakotobe Andrianaivo Christian na i Boni no hitondra izany vahaolana izany ho fanamaivanana ny fahasahiranan’ny mponina. Raha tsiahivina kely dia misedra olana amin’ny rano ny tapany avaratra amin’ny Kaominina Alakamisy Fenoarivo manoloana ny delestazy lavarenin’ ny Jirama, ka tsy mahatosika ny rano avy any Vontovorona. Mahaleotena amin'ny famatsiana rano fisotro madio mantsy ity Kaominina ity. Taomina amin’ny bidao ny rano tsinjaraina amin’ny mponina amin’ny tapany avaratry ny Kaominina. Misy mpandraharaha manolo-tanana amin’ny fitaterana ny rano miara-miasa amin’ity kandida ity ka tsy ho vidim-bola intsony izany. Aina ny rano ka tsy maintsy mitady vahaolana manoloana ny fahasahiranam-bahoaka hoy i Boni. Tafiditra ao anatin’ny fanamby napetrany rahateo ny hanatsara hatrany ny sosialim-bahoaka ao Alakamisy Fenoarivo. Ankoatra ny rano moa dia vain-dohan-draharahan’ity kandida ity ihany koa ny fanatsarana ny sehatry ny fanabeazana toy ny fananganana lisea vaovao ho tombontsoan’ireo ankizy mpianatra manerana ny kaominina.
Pati
Legende : Izy no Rakotobe Andrianaivo Christian na i Boni, Kandida Ben’ny tanàna ao anatin’ny Kaominina Alakamisy Fenoarivo !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT