Sosialy

Naivo Raholdina mivady sy ny FAFI-5 Nanitatra ny “Fondation Fanantenana”


  • Alatsinainy 25 Aprily 2022

Ho fampitomboana ny fanampiana ireo tena mahantra sy sahirana eny amin’ny boriborintany fahadimy sy ho an’ireo toeran-kafa izay jerena manokana dia natsangana sy notokanana tamin’ny Paska ny 17 aprily teo ny Fanantenana

Mahatehonina, trano fandraisam-bahiny na “Chambre d’hôtes” tao Ivory Mangarivotra Antsirabe , tao aorian’ny nisokafan’ny Fanantenana Mahatehonina Nanisana Antananarivo , Fondation Fanantenana, izay tarihin’ny filohany, Hanitriniala Fanantenana Raholdina, ka ny vola miditra amin’ireo dia hanampiana indrindra ireo tena sahirana, hoy ny fampitam-baovao voaray. Entina hanampiana ny tena mahantra sy sahirana eny amin’ny boriborintany fahadimy sy any amin’ny toeran-kafa izay mety hojerena manokana ka anisan’izany ny eny Antsirabe izany. Tonga nitokana sy nanotrona izany ny ben’ny tanànan’Antsirabe voalohany sy ny ben’ny tanànan’Andranomanelatra niaraka tamin’ny solombavambahoakan’i Madagasikara, Naivo Raholdina mivady. Ilain’ny tanànan’Antsirabe ny toerana toy izao amin’ny maha tanàna be vahiny azy indrindra amin’ny andro fety. Filamatry ny Fanantenana FAFI-5 ny hoe “Miaro sy manasoa vahoaka” ka ho fampitomboana ny fanampiana ho an’ireo tena sahirana indrindra amin’izao faha 15 taonan’ny fikambanana izao dia nitarina ny “Fondation Fanantenana” mba ho fanampiana maharitra satria Politikam-panasoavana no andrandrainay mivady , araka ilay Filamatra manao hoe :”Aza manao kely tsy mba mamindro”, hoy hatrany ny fampitam-baovao sy ny fanehoan-kevitry ny filohan’ity fikambanana ity, Hanitriniala Fanantenana Raholdina.
J. Mirija
 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT