Sosialy

Naina Andriantsitohaina « Tsy maintsy tonga any amin’ireo sahirana ny fanampiana »


  • Alatsinainy 04 Mey 2020

Nankasitraka manokana ny fikambanana Fifanampiana Malagasy, ny Ben’ny tanànan’Ananarivo Renivohitra, Naina Andriantsitohaina, raha nandray ireo fanampiana nomen’izy ireo, ny faran’ny herinandro teo.

  

 

 

Atao mangaraharaha ny fitsinjarana ireo fanampiana ireo ary tsy maintsy tonga any amin’ireo olona sahirana izany, hoy hatrany ny Ben’ny tanàna. Vary 100 gony, menaka 96 baoritra, siramamy 25 gony, arovava 1.000 isa no natolotr’ity fikambanana ity ho tsinjarain’ny CUA tao amin’ny Lapan’ny tanàna Analakely. Antony, hoy ny mpikambana, Nasolo Christopher, dia ho tolo-tanana ho an’ireo sahirana ao anatin’izao ahamehana izao. Olona manodidina ny 1500 no ezahina hahazo izao fanampiana izao, hoy ny fanazavana. Ho fanajana ny fepetra, dia sarotra ny manangona olona ary tsy azo atao, ka nahatonga ny fikambanana nanatitra ireo fanampiana ireo tany amin’ny kaominina. Manana olona sy mpikambana sahirana koa ny fikambanana Fifanampiana ary efa nojerena manokana izy ireny, hoy izy ireo. Nanampy ny fikambanana tamin’izao fanomezana izao ny “Secours Populaire Français” na SPF.

J. Mirija 

 

 

Naina Andriantsitohaina

« Tsy maintsy tonga any amin’ireo sahirana ny fanampiana »

 

Nankasitraka manokana ny fikambanana Fifanampiana Malagasy, ny Ben’ny tanànan’Ananarivo Renivohitra, Naina Andriantsitohaina, raha nandray ireo fanampiana nomen’izy ireo, ny faran’ny herinandro teo. Atao mangaraharaha ny fitsinjarana ireo fanampiana ireo ary tsy maintsy tonga any amin’ireo olona sahirana izany, hoy hatrany ny Ben’ny tanàna. Vary 100 gony, menaka 96 baoritra, siramamy 25 gony, arovava 1.000 isa no natolotr’ity fikambanana ity ho tsinjarain’ny CUA tao amin’ny Lapan’ny tanàna Analakely. Antony, hoy ny mpikambana, Nasolo Christopher, dia ho tolo-tanana ho an’ireo sahirana ao anatin’izao ahamehana izao. Olona manodidina ny 1500 no ezahina hahazo izao fanampiana izao, hoy ny fanazavana. Ho fanajana ny fepetra, dia sarotra ny manangona olona ary tsy azo atao, ka nahatonga ny fikambanana nanatitra ireo fanampiana ireo tany amin’ny kaominina. Manana olona sy mpikambana sahirana koa ny fikambanana Fifanampiana ary efa nojerena manokana izy ireny, hoy izy ireo. Nanampy ny fikambanana tamin’izao fanomezana izao ny “Secours Populaire Français” na SPF.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT