Nidina tampoka tsy nisy fampandrenesana nanara-maso ny tsena teny amin’ny Boriborintany faha-4 eto Antananarivo toa ny teny Anosibe ny Ben’ny tanàna Naina Andriantsitohaina.
Nandeha tamin’ireny môtô lehibe ireny moa ny ben’ny tanàna fa tsy tamin’ny alalan’ny fiara. Izy mihitsy no niteny an’ireo mbola minia mivarotra tsy mety alamina hoe: « na ianareo miala noramora na camion ve no tianareo hanala anareo? ». Tsy tazana teny akaikiny teny intsony ry mpaka 19 sy mpanao tatitra vilana nampiady ny ekipako tamin’ny ben’ny tanàna, asa efa manomboka fantany ireo be vinany eto amin’ny tsena eto, samia velona aina hifankahita fa an’ialahy isany ny mandroso, an’ny fahamarinana ny miverina, hoy ny depiote Rossy na Rahasimanana Paul Bert nankasitraka ny fihetsiky ny ben’ny tanàna. Tsy alikalahin’ialahy isany ny ben’ny tanàna ka sady hikabary no hitety tsena fa misy raha hitany ao, hoy ny fanehoan-kevitra somary masiatsiaka nataon’io ben’ny tanàna io. Toa naneho fa misy olona mpiara-miasa na niara-niasa tamin’ny ben’ny tanàna tsy mifankahazo amin’ity depiote ity.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.