Sosialy

Naina Andriantsitohaina “Mankahery ny Tale vaovaon’ny SAMVA aho”


  • Talata 01 Desambra 2020

Tontosa soamantsara omaly ny fifamindram-pahefana teo amin’ny Tale

 

 

vaovaon’ny SAMVA sy ny Tale teo aloha. Tonga nanatrika izany ny tenako, niaraka tamin’ireo mpikambana hafa eo anivon’ny Filan-kevitra, hoy ny ben’ny tanàna Atoa Naina Andriantsitohaina. Adidy lehibe no miandry ny Tale Jeneraly vaovao Colonel Andrianaivo Ravoavy Jaona Lalaina, ary mankahery azy aho. Tsy maintsy madio Antananarivo. Efa nandray andraikitra ny Kaominina. Toerana 20 tamin’ireo 35 no vita nandritry ny 5 andro, hoy ny ben’ny tanàna. Hohamafisina akaiky ny fiaraha-miasa amin’ny SAMVA mba ho fanadiovana ny Tanàna mialohan’ny fiavian’ny orana, hoy ny fampanantenana. Ny Filoham-pirenena no nilaza fa haverina amin’ny Kaominina ny SAMVA. Vao herinandro izay no nilazan’ny ben’ny tanàna, fa tsy andry fotoana handraisan’ny CUA feno ny fitantanana azy io. Ankehitriny, miova indray ny resaka raha dinihina amin’io. Izay fomba fitantanana ao angamba tsy olana amin’ny vahoaka, fa ny fanesorana ny fako efa lasa tendrombohitra no andrasana, satria tena maimbo sy masiso Antananarivo Antananarivo, fa tsy araka ilay fampanantenan’ny Filoha Rajoelina ny 26 novambra 2019 nialohan’ny fifidianana ben’ny tanàna.

 

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT