NAHOMBY NY « FESTIVAL FOIE GRAS » FAHA-14

Mamoaka vorona 60000 isan-taona i Behenjy, mety ahazoana tombony 100%,


  • Alakamisy 21 Aogositra 2025

Hetsika fanao isan-taona tena nahafantarana ny tananan’I Behenjy ao amin’ny faritra

vakinakaratra ny Festival Foie Gras ka tao Antanetibe Behenjy no nanaovana ny andiany faha 4 ny 14 – 15 Aogositra teo. Seham-piarariana tena mbola malalaka tanteraka ny fitrandrahana ny Aty Matavy hoy ireo mpisehatra amin’izany. Raha isika no hifanome Tanana amin’ireo tantsaha dia handroso ny seham-pihariana ny « Aty matavy », hoy izy ireo . Mety ahazoana tombony 100% izy raha hay tsara ny mitrandraka azy ary manaraka ny fenitra, efa mamelona olona aman’aliny io seha-piariana io ankehitriny. Raha hoan’ny tanana’I Behenjy fotsiny ohatra dia 800–1500 isan-kerinandro ny vorona no mivoaka ao behenjy izany hoe 60000 isan-taona , mbola azo lazaina ho tsy ampy anefa ireo vokatra ireo raha ampitahaina amin’ny filana ka mihevitra ny hanamafy ny fiaraha miasa amin’ireo tantsaha mpiompy ireo mpisehatra aty matavy ampiakarana ny vokatra, efa miparitaka manerana an’i Madahgasikara ary efa eo ampikarohana lalam-barotra amin’ny fanondranana ny Aty matavy any ivelany ihany koa amin’izao fotoana izao ireo mpisehatra. Nandritra ny andiany faha 2 sy ny faha 3 tamin’ny Festival Foie Gras no namolavolana ny “Charte” fa tamin’ity andia faha 4 ity kosa no nametrahana ny Label Fois Gras Vakinakaratra. Hanangana « Abattoir » ihany koa ho fanarahana ny fenitra. Nanditra ny fandraisa-pitenenan’ny Governoran’ny faritra vakinakaratra Vyvato Rakotovao no nilazany fa vavahadin’ny faritra vakinakaratra I Behenjy izay foiben’ny Aty Matavy izay entina ampandrosoana ny faritra ihany koa. Hifanohana amin’ireo mpisehara ihany koa ny faritra hitady ny lalam-barotra. Nikarakara ity festival FOIE GRAS Faritra vakinankaratra sy ny Tale regionalin’ny fambolena sy fiompiana Ligy ARISON
Solotiana
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Krizy goavan'ny famatsiana angovo
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Nodidian’ny Fanjakana ho

  • Rakoto Jean Pierre
  • Alarobia 08 Aprily 2026

"Aza zarina amin'ny bôjo ny Vahoaka !"

  • Antananarivo Renivohitra
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Raikitra indray famindrana

Hijery ny tohiny
FTT