Sosialy

MYRIAM Nisy nanolana, lasa simba hatramin’ny sainy


  • Alatsinainy 10 Aogositra 2020

Tovovavy kely tena tia fianarana no sady nahay i Myriam. Teo-amin'ny faha 15 taonany anefa dia nisy nanolana izy. Simba tanteraka ity tovovavy kely ity noho izany.

 

 

Tataka hatrany amin'ny fipipizany mantsy .hany ka lasa mipipy an-kilaoty, tsy mahatana pipy intsony izy. Lasa tsy salama intsony ihany koa ny sainy raha toraka izany koa ny Reniny niteraka azy. Rehefa nanontaniana mivantana ny dokotera dia fantatra fa tsy maintsy mila fandidiana maika i Myriam noho ny fisian’ilay tataka tsy mety mikatona ao amin’ny fivaviany. Miaraka amin’ny ratra izany raha ny fantatra ka ahiana hivadika ho homamiadana mihitsy. Feno 19 taona i Myriam amin’ izao nefa tsy mbola nisy mihitsy ny fitsaboana natao taminy noho ny fahasahiranan’ireo fianakaviany. Manao antso avo amin’ireo malala-tanana sy tsara sitra-po rehetra araka izany mba hanome couche ho an’olon-dehibe, vola hanaovana scanner miampy ny fanafody handidiana azy. Ny laharam-pinday 034 25 980 63 (Mvola) na ny 033 24 364 36 (Airtel Money) no hahafahana mifandray mivantana amin’ireo fianakaviany.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT