MY SUNSET ENY FENOARIVO

Handray an-tanana sy hitaiza ireo zokiolona


  • Talata 19 Novambra 2024

Olana ho an’ny fianakaviany matetika ny zokiolona noho izy ireny tsy maintsy arahi-maso sy tokony

hokarakaraina fa tsy avela irery mba tsy hanaotao foana. Noho izay antony izay indrindra no antom-pijoroan’ny My Sunset eny Fenoarivo Atsimondrano, tantanan’ny Dokotera Fidolin Andrianasolo. Ireo zokiolona mihoatra ny 60 taona rehetra no fantatra fa azo raisina ao amin’ity ivon-toerana ity. Ankoatra ny fahafahana mitazona azy ao an-toerana miaraka amin’ny fandriana mitokana sy ny kidoro manatsotra lamosina na ny othopedique dia misy Paramed sy mpitsabo afaka mandray an-tanana azy ireny ihany koa ao amin’ny My Sunset isan’andro. Tanjona ny hanamaivanana ny fahasahiranan’ny fianakaviana no sady hanomezana tombony manokana ireo zokiolona ihany koa. Amin’ny ankapobeny mantsy dia tsy maintsy mivoaka ny trano mandeha mamonjy asa sy fianarana avokoa ny ankamaroan’ireo zanaka aman-janaka isan’andro. Misy amin’ireny zokiolona ireny anefa no misy aretina mitaiza ka atahorana. Misy koa ireo tsy tokony hivoaka ny trano irery intsony fa mila olona hisorohana ny loza mety hitranga.
Pati
Legende : Tahaka izao ilay ivon-toerana My Sunset handraisana ireo zokiolona eny Fenoarivo !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT