Sosialy

MSF Ambohitrolomahitsy Olana ny jiro tsy hahafahana mampiasa “internet”


  • Talata 26 Martsa 2019

Ny taona 2006 no nijoro ny MSF (Maison de savoir et de la Francophonie) ao Ambohitrolomahitsy, kaominina Ambohitrolomahitsy, distrikan’i Manjakandriana.

Trano famakiam-boky natao hitovian’ireo mpianatra lenta amin’ny hafa no tanjona tamin’izay. Namaly tamin’ny fangatahana niainga tamin’ireo mpikambana moa ny heteheta ka nanohana azy io ny ATS Nord ( Association asa tanana solidarité Château- Thierry Frantsa) sy ny ATS Sud (Association asa tanana solidarité Ambohitrolomahitsy Madagascar) izay nahafahana nanangana ny MSF nahitana taranja samihafa toy ny teny vahiny, dihy, tantara ary lalao samihafa. Mbola malaina ny mpianatra teo aloha fa ankehitriny tafakatra 203 ny mpikambana liana amin’ny fanovozana fahalalana. Raha toa ka in-droa teo aloha no nisokatra ity ivontoerana ity, dia efa mahatratra in’efatra misokatra izy ankehitriny. Ny olana ho an’ireo mpianatra sy ny mpikarakara dia tsy mbola misy jiro hahafahana mikirakira “internet” ao amin’ity MSF ity izay mbola ezaka miandry ny mpikambana ankehitriny. Efa hizaka tena amin’izay mantsy ato ho ato ny ivontoerana raha mbola notohanana teo aloha. Tsy mijanona hatreo ny mpikarakara raha ny nambaran’ny filohan’ny fikambanana fa miezaka manao asa soa sy fampandrosoana amin’ny lafiny samihafa eny anivon’ny faritra. Tsy nanadino ny fanamarihana ny andron’ny Francophonie ny alarobia 20 martsa lasa teo ny ATS sud sy ny ATS nord ary ny MSF Ambohitrolomahitsy.

Nangonin’i RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT