Betsaka ireo fianakaviana Malagasy tsy mihinana afa-tsy indray mandeha isan’andro intsony ankehitriny noho ny hasarotan’ny fiainana. Amin’ny atoandro na amin’ny alina tokana ihany no mba miara-mihinana izay misy eo am-pelatanana ny isam-pianakaviana noho ny fahantrana lalim-paka mianjady amin’ny isam-baravarana.
Vokany, tsy vitsy ireo mihazakaza raha vantany vao mahare fa misy fizaran-javatra, indrindra fa ny sakafo toy ny nitranga tetsy Namontana, Boriborintany faha-efatra ny Sabotsy teo. Tonga nizara sakafo teny an-toerana mantsy ny fikambanana Tena Namana Miara-dia notarihin-dRtoa Novah Colombe. Nambaran’ity farany tamin’izany fa nosafidian’izy ireo manokana Namontana sy ny manodidina noho ireo Fokontany valo aminy marobe olona sahirana, indrindra fa ny zaza amam-behivavy. Sakafo masaka no natao hoy izy satria ny sakafo no mitondra herim-batana sy otrik’aina haingana ho an’ny olona raha vantany vao mihinana izy, mba hahafahany mampandeha ny fiainany amin’ny ankapobeny. Ny sakafo ihany koa hoy izy nanohy ny teniny no hita fa tena tsy ampy ny olona intsony, antony manosika ireo ankizy handeha hanao asa an-tselika sy hangataka etsy sy eroa. Olona manodidina ny 500 isa moa no nahazo tombontsoa tamin’izany, hetsika izay tsiahivina fa hiarahana mpinamana maromaro manana tanjona hanampy sy hanohana ireo hita fa tena marefo eny anivon’ny fiaraha-monina. Hiitatra amin’ny fanampiana ireo ankizy mivondrona anaty fikambanana mpanao fanatanjahantena moa izany fanampiana izany raha araka ny fantatra. Notsiahivin’ny filohan’ny fikambanana moa fa faritra efatra no efa notetezin’izy ireo hatreto ka anjaran’ireo mponina sahirana any Atsimondrano na Avaradrano indray no handray ny fanampiana ato ho ato.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.