Sosialy

Mponin’i Vohidiala-Alaotra “Tsy naka ny taninay izany i Dada”


  • Alakamisy 13 Desambra 2018

Gaga sy talanjona ny mponina eto Vohidiala amin’ny resaka aparitaka fa nalain’i Dada Ravalomanana ny taninay, hoy ny raiamandreny iray 70 taona ary efa nipetraka 40 taona tao an-toerana.

 

 

 Nohazavainy fa tanin’ny vazaha izy io taloha izany hoe fony fanjanahantany. Nalain’ny fanjakana tamin’ny alalan’ny Sorifema (1978) avy eo, dia namidy tamin’ny Somacodis ary ny Somacodis indray no nivarotra tany tamin’ny Tiko. Ny tany izay nampiasain’ireo tantsaha, dia tsy nisy na dia iray dia aza nalain’ny Tiko ary mbola nampiana 24 Ha tao amin’ny toerana atao hoe “rive gauche” aza ny tany nampiasain’ny vazaha taloha no ampiasain’nyTiko fa tsy nisy nokitihana ny tanin’ny mponina. Kaominina 4 no miaina sy mivelona, mamboly an-kalalahana ary betsaka ny tombontsoa azon’ny mponina noho ny fisian’ny ozinina lehiben’ny Tiko dia ny Fanampy Rice Mill izay mitoto vary.800 mahery ny mpiasa tao tamin’ny fotoana mbola niodinany saingy very asa rehefa nikatona ny orinasa.Ho an’ny renim-pianakaviana iray indray dia nilaza fa niaina tsara ary velona tamin’ny orinasa mpitoto varin’ny Tiko mbola niodina, eo ny fiahiana ara-tsosialy fizarana sakafo sy fitaovam-pianarana ho an’ny zanaky ny mpiasa. Ankehitriny anefa lasa miraviravy tanana ny olona, lany andro maka talapetraka kanefa tsy mahavidy vary akory ary tsy mahatody volana ny vola azo avy amin’izany. Tamin’ny andron’i Dada anefa, hoy ny fanazavana dia miasa daholo ny lehilahy mitana angady, ny vehivavy manetsa ary mbola misy vary 1 kilao zaraina aza rehefa avy manetsa .Antso no nataon’ireto mponin’i Vohidiala ireto hoe aoka tsy horebireben’ny mpanely tsaho fa tena i Marc Ravalomanana ihany no mahavita manarina sy manangana ary manome asa ny Malagasy .

Niry

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT