Sosialy

Mponin’i Tsiazopody, Moramanga Miady tany amin’ny fandraharahana ny fonja


  • Zoma 15 Janoary 2021

Nalain'ny fandraharahana ny fonjan'i Moramanga ny tanin'ny vahoakan'i Tsiazopody,

 

 

araka ny fampitam-baovao avy any an-toerana. Araka ny nambaran'ny sefo fokontanin’i Tsiazopody, Moramanga dia efa tamin'ny taona 1901 no efa nisy fokonolona tao Tsiazopody fa ny fandraharahan'ny fonjan’i Moramanga, ny taona 1972 , no rehefa tsy nanana tany tao dia nangataka tamin'ireo razambe taloha. Nanome 5 ha ireo razambe ireo, hoy hatrany ny fanazavana, ka tsy nasiana taratasy fa natao am-pitokisana. Efa nisy dingana maro nataon'ireo vahoaka ary efa niakatra fitsarana. Misy tamin'ireo vahoaka no nogadraina ny taona 2014. Ny 21 Desambra 2020 teo dia tonga tao Tsiazopody ireo fandraharahana ny fonja sy ny eo anivon'ny fananan-tany na « Domaine » ao Moramanga andeha hametaka baorina ka tsy nanaiky ny vahoaka satria mahatsapa ny tsy mety. Fifanarahana fotsy na « convention en blanc » no nomena 3 andro mialoha, ary noterena ho ny sefo fokontany no nameno izany. Nanohitra ny fokonolona tamin'io 21 Desambra 2020 io saingy basy no niandry satria zandary miisa 2 sy mpandraharahan’ny fonja miisa 12 miaraka amin'ny basy no tao. Nanao hetsika ny fokonolona ny 28 Desambra 2020 ka nilanja sorabaventy sy nanapoaka sarom-bilany ary nandoro kodiarana saingy tsy nohenoin’ny fanjakana. Hitohy ny hetsika. Rehefa nanotaniana ny tonian'ny mpampanoa lalàna ao Moramanga dia nilaza fa 183 ha no tanin'ny fandraharahana ny fonja ary tsy tafidtra ao ny fasana sy tranon'ireto olona ireto. Efa nomen'ny fandraharahan’ny fonja 30 andro moa ireto vahoaka ireto nanomboka 21 desambra 2020 ka nilaza fa hiha mafy ny hetsika rehefa tsy mihaino ny fanjakana, hoy hatrany ny fampitam-baovao.

 

J. Mirija

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT