Sosialy

Mponin’i Morondava Mangataka ny ahafahany manao asa fihariana ara-dalàna


  • Alarobia 07 Septambra 2022

Mahatsiaro ho sahirana ireo mponina any amin’ny distrikan’i Morondava, Faritra Menabe. Nasiana fepetra tsy fahafahana mivezivezy amin’alina mantsy ao an-drenivohitr’ity distrika ity manomboka amin’ny 06 ora hariva ka

hatramin’ny 06 ora maraina, efa andro maromaro izao, indrindra taorian’ilay tsindron’antsy narahina vono olona nitranga tany an-toerana andro vitsy lasa izay. Betsaka amin’ireo mponina araka izany no tsy afaka manao ny asa fihariany ara-dalàna intsony. Anisan’ireny ireo mpitatitra vokatra, ireo mpivarotra….Mangataka ny ahafahany manao ny asa fihariany ara-dalàna araka izany izy ireo. Ny hamahana ny delestazy lavareny no tokony hataon’ny fanjakana, hoy izy ireo fa tsy ny mponina no hampihorohoroana sy sakantsakanana amin’ny asa fivelomany tsy avela hivelatra tahaka izao. Teo an-daniny dia nilaza sy nanambara ny solombavambahoaka voafidy tany an-toerana fa efa nisy ny fanaovany tatitra teo anivon’ny orinasa JIRAMA mikasika ity trangan-javatra ity ary efa namaly ireto farany fa efa mandray an-tanàna izany. Ankoatra izay hoy izy dia tsy ny distrikan’i Morondava ihany no miaina delestazy lavareny tahaka izao fa voakasika ihany koa ny distrikan’i Sambava, Antalaha ary Vohemar.
Pati
Legende : Miaina anaty tebiteby lava ireo mponina ao Morondava amin’izao
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT