Sosialy

Mponin’i Mandriambero Tsy hanaiky intsony ny hanotofana an’Andranotapahana


  • Alatsinainy 21 Febroary 2022

Tsy hanaiky intsony ny hanotofana ny farihin’Andranotapahana ireo mponina sy ny fikambanan’ny mpanarato ary ny mpanjono ao anatin’ny Fokontany Mandriambero, kaominina Talatamaty, distrikan’Ambohidratrimo.

 Efa 70 ha mantsy sisa amin’izao ny refin’ity farihy ity raha araka ny fanazavan-dRandrianandrasana Augustin, filohan’ny mpanarato eny an-toerana raha nahatratra 108 ha ny tena totaliny teo aloha. Mihena hatrany araka izany ity farihy ity vokatry ny fanotofana tsy ara-dalana hataon’ny sasany, antony nahatonga azy ireo hanao hetsika tamin’ny sabotsy teo. Raha kely mantsy dia fianakaviana manodidina ny 600 isa eo ho eo vady aman-janak’ireo mpanjono sy mpanarato no mivelona amin’ity farihy ity mahazo trondro 2 kg isan’olona isan’andro hamatsiana ny mponina ao Ambohidratrimo sy eto an-drenivohitra. Antsoantso sy kiakiaka, niampy fitsofana kirioka narahin’ny filanjana sora-baventy no nenti’ireo mponina nanehoana ny hatezerany tamin’io andron’ny Sabotsy io ary nanamafisany fa tsy hanaiky hatramin’ny farany izao fanotofana tsy ara-dalana izao izy ireo na iza na iza no ao ambadik’izany.
Pati
Legende : Nandritra ny hetsika notanterahin’ny mponina tamin’ny sabotsy teo
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT