MPONIN’I MAHAJANGA

Nahazo fanampiana avy amin’ny orinasa Star


  • Alarobia 12 Jona 2024

Nahazo fanampiana avy amin’ny orinasa Star ny mponin’i Mahajanga.

Nanolotra fitaovana ho an’ny fandraisana an-tanana ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza tany an-toerana ary nitety tanana nampahafantatra ny tetikasa ho an’ny tontolo iainana Kopakelatra teny anivon’ny mponina ity orinasa iray ity.Nanavao ny fiaraha-miasany niaraka tamin’ny Hopitaly Androva koa ny STAR ary nanolotra kojakojam-piterahana ho an’ny reny miisa 30 miandry fiterahana sy vao tera-bao. Nisy ihany koa ny fitaovana « concentrateur d’oxygène » natolony ny sampana miahy ny reny sy ny zaza ao amin’ny hopitaly. Izany no natao mba hanamoràna sy hanatsaràna ny fandraisana ireo reny sy zaza ao amin’io sampana io. Nanatanteraka ny fanolorana tamin’izany ny talen’ny masoivoho eny an-toerana Doison Rarivoson, ny tompon’andraikitry ny serasera RSE, ny mpitantana administratifan’ny masoivoho Zo Harifetra Rabarivelo ary ny mpitantana lojistika Kaed Soalehy izay noraisin’i Dr Valéry Refeno, tale teknika faharoa eo anivon’ny CHU Androva. Nisy toeram-panangonana Kopakelatra 6 napetraka tany Mahajanga izay efa hampiasain’ny besinimaro toy ny ao amin’ny Leader Price Majunga Be, ny Jovena Zato lalan’Amborovy, ny Supermaki Mazava Huile, ny ao amin’ny Total Baobab Analakely ary ny ao amin’ny Galana Atafana Majunga Be. Nisy ihany koa ny hetsika fanentanana nandritry ny telo andro nisesy nitetezana tanàna sy tamin’ireo teoram-panangonana ireo nampianaràna ny mponina any an-toerana mahakasika ny fanangonana ny tavoahangy plastika efa niasa ialàna amin’ny mety ho fiparitahany. Tavoahangy plastika miohatran’ny 4 .500 isa no voaangona tamin’izany. Tafiditra ao anatin’ny politikan’ny RSE an’ny STAR ireo hetsika ara-tsosialy ireo izay manamafy ny fahavononany hanohana ny mpiara-monina sy hiaro ny tontolo iainana hatrany ihany koa.
Pati
Legende : Nandritra ny fanolorana ireo fitaovana !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT