Sosialy

Mponin’Antananarivo Misy eny amoron-dalana no mihiboka…


  • Sabotsy 04 Aprily 2020

Sady mahatsikaiky sy mahonena no mampanahy ihany koa ny zava-mitranga ao anatin’izao atao hoe fihibohana amin’ny ampahany na “confinement partiel”

 

 

ampiharina eto amin’ny firenena izao. Hita ho misy fahamarinany ihany ilay nambaran’ny tompon’andraikitra iray izay hoe tia loatra an’ity mifampitakosona sy mivorivory ity ny malagasy. Ekena fa mbola misy tokoa ny famelana ny olom-pirenena “hivoaka hiantsena” na hanatanteraka asa tsy azo hanoharana any ivelany aloha hatreto mandritra izay hoe fihibohana amin’ny ampahany izay saingy rehefa mandinika ny fihetsiky ny ankamaroan’ny olom-pirenena eto Antananarivo dia tsikaritra fa maro ireo miraoziraozy fotsiny, araka ny fitenin’ny tanora, na koa amin’ilay mbola manoko resaka etsy sy eroa. Mivorivory! Toa hampidi-doza na dia ity famelana fivoahana hatramin’ny 12 ora atoandro ity ihany aza raha ny zava-misy hatramin’ny omaly no jerena! Tsy fahalalana ve sa tsy fanarahana vaovao no mbola nahitana olom-pirenena mipetrapetraka ihany eny amin’ireny toeram-piandrasana taksibe na abri-bus ireny? Mbola miandry taksibe ve, sa mba manila azy mipetrapetraka sy miresadresaka ary mitazana ny mpandalo.Raha tsy hiasa fa hipetrapetraka, nahoana no tsy mijanona any an-trano manaja ilay fihibohana ?

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT