MPONIN’ANTANANARIVO

0,01 % ireo nandoa tamin’ny taona 2022


  • Alarobia 17 Janoary 2024

Tena malaina mandoa hetra ny mponin’Antananarivo renivohitra.

Raha araka ny fantatra mantsy dia ny 13,93% amin’ny mponina voakasik’izany monja no nandoa ny anjara hetrany tamin’ny taona 2021, hetra notakiana tamin’ny taona 2023 lasa teo. 0,01% kosa no nanefa ny hetrany taona 2022 izay mbola notakiana tamin’ny taona 2023 lasa teo ihany koa. Tsy nitaky hetra mihitsy ny Kaominina Antananarivo Renivohitra ny taona 2020 sy 2021, raha araka ny vaovao azo noho ny hamehana ara-pahasalamana. Ho fitsinjovana ny fahasahiranan’ny tsirairay no voalaza fa anton’izany. Ankehitriny hoy ny tompon’andraikitry ny kaominina tsy maintsy manatanteraka ny asany amin’izay izy ireo. Ny hetra miditra no mampihodina ny tanàna hoy izy ireo hahafahan’ny Kaominina miasa sy manatanteraka ny asa andavanandrony. Manao antso avo amin’ny mponin’Antananarivo izy ireo araka izany mba hanefa ny adidiny araka ny tokony ho izy.
Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT