Mponina miisa 24 000, amina fokontany 15 eo anivon`ny kaominina ambanivohitra Andina no nisitraka fanafody maimaimpoana hiadiana amin’ny aretina bilariziozy.
Samy nahazo na lehilahy na vehivavy, hatramin’ny ankizy sy ny tanora. Ny anjaran’ny vehivavy bevohoka kosa dia ny volana desambra ny fizarana ho azy ireo. Nialoha ny fizarana ny fanafody dia nitondra fanazavana fohy ny fisehon’ny aretina ny ben’ny tanàna, Atoa Rakotozandrindrainy Raphael, ary nambarany fa lafo ny saram-pitsaboana ny aretina raha tratrany ka tsara kokoa ny misoroka mialoha sady maimaimpoana ny fizarana ho an’ny mponina Andina. Taorian’ny fizarana nataon’ny ben’ny tanàna sy ireo mpitsabo tany an-toerana dia nisy fitsidihana ny fanamboarana tetezana tao Ambinome, izay mirefy 30 metatra, ka ny fokonolona ihany no nandray an-tanana ny fanamboarana. Marihina fa tsy nanavahana antoko politika na TIM na HVM na ara-pinoana ny fizarana ny fanafody fa ho an’ireo rehetra tonga teo. Ny zoma lasa teo no nizarana ireo fanafody ireo, tao amin’ny biraon’ny kaominina Andina sy ny CSB II Ampasina-Andina. Hisy ny andiany faharoa ka ny volana aprily indray ny fanomezana manaraka satria hatao isaky ny 6 volana ny fizarana.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.