Sosialy

Mponin’Ampamarinana Mbola misy tsy manaiky ny handao ny trano fonenany


  • Alarobia 06 Febroary 2019

Tsy maintsy mandao ny trano fonenany manomboka rahampitso alakamisy 07 febroary farafahatarany ireo mponina eny Ampamarinana sy ny manodidina hisorohana ny mety hisian’ny aina hafoy ateraky ny vatobe mianjera indray.

 

 

 

 Nanomboka nitondra ny planin’ny toerana tsy maintsy hanaovana ny fanalana ireo mponina voakasika omaly ny avy eo anivon’ny birao nasionaly misahana ny loza voajanahary sy ny fokontany ka marobe tamin’ireo mponina no tsy nahapetraka intsony. Ho azy ireo mantsy dia tsy misy vatobe mianjera fahatany izany fa misy dia misy ihany koa  ny andraikitr’ireo mponina mipetraka eny ambony indrindra  sy izy ireo monina ety ambany. Nohazavain’izy ireo fa tokony hiezaka ny mikarakara ny lalan-dranony hatrany ireo mponina avy any ambony indrindra raha tokony hanadio ihany koa izy ireo hialana amin’ny mety hisian’ny fihotsahana tampoka tahaka izao. Mangataka ny tokony hihainoan’ny fitondram-panjakana azy ihany koa ireo mponina fa tsy ny hevitry ny fokontany hatrany no arahina. Misy amin’ireo mponina no tsy vonona ny hiala mihitsy noho ny fianaran-janany sy ny asa fivelomany saingy vonona ny hifanohana amin’ny fitondram-panjakana kosa ny amin’ny vahaolana maharitra mety hiarahana amin’izy ireo amin’ny fikarakarana ny toeram-ponenany.  Tongotra mby an-dakana anefa ny an’ny fitondram-panjakana ka ho an’ireo tsy mety miala dia fantatra fa iarahana  amin’ny mpitandro ny filaminana mihitsy ny fandraofana azy ireo sy ny entany ny zoma ho avy izao. Tsiahivina moa fa  any Ambohidratrimo no toerana kasain’ny fitondram-panjakana hamindra azy ireo, miaraka amin’ny lakozia sy ny trano fidiovana.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT