Sosialy

Mponin’Ambohitrimanjaka “Vonon-kiaro ny tany niavianay izahay”


  • Alatsinainy 02 Martsa 2020

Mitohy ny ady ho an’ireo mponina eny Ambohitrimanjaka. Tsy mitsahatra ny mihaona izy ireo isaky ny andro sabotsy

 

mandrapamalin’ny filoham-pirenena Andry Rajoelina fa hafindra any amin’ny toeran-kafa ilay tetikasa Tanamasoandro kasaina hanotofana tany 1.000 ha eto amintsika ka anisan’ireny ny eny Ambohitrimanjaka. Namaly ny hafatry ny tale jeneralin’ny APIPA Rateloson Philippe Atoa Eric Randriamarivo mpitondra tenin’izy ireo tamin’ny sabotsy teo ka nilaza fa efa mahalala angaha ity farany fa hafindra any amin’ny toeran-kafa ny tetikasa Tanamasoandro matoa izy nanontany ny amin’ny mbola fisian’ny hetsika hataon’ny mponina enyAmbohitrimanjaka. Sa fanaovana tsinontsinona tsotra izao ny firaisankinan’ny mponina hiaro ny taniny izany, hoy Atoa Eric. Nasehon’izy ireo nibaribary ny firaisankinany ary mbola nanamafy izy ireo fa tsy avelany hototofana ny taniny. Tamin’ny andron’Andrianampoinimerina aza, hoy izy natao fefy ny lohan’izay olona nikasa hanototra an’i Betsimitatatra, antony nahatonga ny anarana Ampefiloha raha anisan’ny toerana manana ny tantarany sy ny soatoaviny tahaka izany ihany koa Ambohitrimanjaka ka tsy tokony hotsinontsinoavina. Nomarihiny manokana moa fa manantena ny fahendren’ny filoha izy ireo raha tsy mieritreritra ny hiresaka amin’ny minisitra misahana ity tetikasa ity kosa noho ireo hafatr’izy ireo marobe efa tafita.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT