Sosialy

Mponin’Ambohipo Tsy manaiky ny fanesorana ireo mpitantana ny fokontany


  • Talata 28 Aprily 2020

Nitokona nanoloana ny biraom-pokontanin’Ambohipo omaly ireo mponina tsy manaiky ny fanalana ireo tompon'andraikitra eo anivon’ity birao ity.

 

 

Araka ny fanazavan’ny filoham-pokontany teo aloha, Henry Razafimanantsoa, dia tsy fantatra mazava no anton’izay fanesorana izay. Saika notontosaina omaly moa ny fifamindram-pahefana saingy tsy tonga teny an-toerana ireo tokony hanolo, raha ny fampitam-baovao. Isan’ny nitarainan’ireto mponina ireto ihany koa ny fandringan’ny fitantanana ny rafitra Loharano ao an-toerana sy ny fitsinjarana ireo fanampiana ao an-toerana. Ny tenako izao mihitsy, hoy ity filoham-pokontany teo aloha ity, no isan’ireo mbola tsy nahazo izay fanampiana izay kanefa ny anarana efa in-droa nalaina. Manao antso avo amin'ny fitondram-panjakana izy ireo, noho izany, mba hijery akaiky ny zava-misy marina.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT