Sosialy

Mponin’Ambohidratrimo Mandeha taksibe vao mahita rano vidiana


  • Alarobia 13 Novambra 2019

Velon-taraina tanteraka ireo mponina eny Ambohidratrimo noho ny tsy fisian’ny rano fisotro madio.

 

 

 

 

 

 

 Nanomboka tamin’ny zoma teo mantsy raha araka ny fanazavan’ny solontenan’ny mponina no nanomboka tapaka ny rano ary tsy niverina hatramin’ny omaly fotoana nanoratanay. Voatery mandeha mitaingina taksibe mividy rano any amin’ny toeran-kafa avokoa ny mponina toy ny eny Talatamaty….ankoatra ireo manana fiara manokana hitaterana izany. Ho an’ireo tsy manana fahafahana kosa indray dia mamonjy vovon-drano na fantsakana any ambanivohitra no hataon’izy ireo ka lany ora efatra isan’andro raha kely vao mahita rano hosotroina sy hidiovana. Tsiahivina anefa fa fototry ny aina ny rano.  Rano no mandrafitra ny 80 %-n’ny vatan’olombelona. Mila misotro rano hatrany amin’ny 1 litatra sy tapany isan’andro ny olona iray raha te ho salama tsara, indrindra ao anatin’izao vanim-potoanan’ny hafanana izao, ankoatra ny hidiovana sy hahandroana sakafo. Olana anefa ny fitadiavana  izany any amin’ny toerana lavitra sy manahirana koa andrasana izay vahaolana mety hoentin’ireo tompon’andraikitra vaovao vao hotendrena indray.

Pati

 

 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT