Sosialy

Mponina sy fampandrosoana Hiatrika fivoriam-be any Nairobi ny tanora Malagasy


  • Alarobia 06 Novambra 2019

Hisy ny fihaonana an-tampony hotanterahina any Nairobi-Kenya amin’ity volana novambra ity mandritra ilay kaonferansa iraisam-pirenena mahakasika ny mponina sy ny fampandrosoana (ICPD).

 

 

Hisy ny  tanora hisolo tena an’i Madagasikara any ka hamelabelatra ny asa vita nandritra ny 25 taona. Ankoatr’izay dia hisy ihany koa ny fanatanterahana fanadihadiana any mahakaika ny fampandrosoana. Hojerena amin’izany ny olan’ny tanora eo amin’ny lafiny fananahana sy ny vohoka tsy niriana na aloha loatra izay miteraka tsy fampandrosoana eto Madagasikara. Mahasahana ny lafiny rehetra momba ny fitomboan’ny mponina ihany koa ity ICPD ity ka anisan’izany ny fifindra-monina, ny fahanterana ,ny fanovana ny rafitr’asa ary indrindra ny fahasalamam-bahoaka. Ankoatr’ireo tanora ireo moa dia hiainga ho any Kenya ihany koa ny solotenan’ny governemanta, ny fikambanana ara-pahasalamana.

Tsirinasolo

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT