Mponina eny La Réunion kely

Mitaraina amin’ny hafanana sy ny fofona miakatra


  • Zoma 22 Septambra 2023

Efa manomboka miditra mian-dalana mankany amin’ny vanim-potoanan’ny hafanana isika eto an-drenivohitra amin’izao.

Anisan’ny tena mitondra faisana ao anatin’izany ireo mipetraka amin’ny trano vy toy ny iainan’ireo mponina etsy La Reunion kely Ampefiloha. Amin’ny atoandro raha araka ny fanazavan’izy ireo no tena mampamaivay ny hafanana izay mila tsy ho zakan’ireo kilonga madinika sy zokiolona. Ankoatra izay hoy ireo mponina dia mila tsy ho laitra ihany koa ny fofona sy ny lalitra. Saika amin’iny moron’ny lakan-drano iny avokoa mantsy no manao maloto ny ankamaroan’ny mponina noho ny tsy fananana toeram-pivoahana. Amin’iny lakan-drano iny ihany koa anefa izy ireo no manasa lamba. Misy trano fivoahana ho an’ny daholobe ihany eny an-toerana saingy 100 Ar ny mivalan-drano indray mandeha monja….Misy koa ny rano saingy tsy maintsy vidiana 150 Ar na 200 Ar ny iraty bidon miloko mavo. Vokany, manahy mafy ny amin’izay mety ho toe-pahasalamany ny mponina. Na izany aza dia notsiahivin’izy ireo fa mbola tsy nisy tratry ny valan’aretina COVID 19 izy ireo saingy anisan’ny aretina matetika mpahazo azy ireo kosa indrindra fa ny ankizy madinika ny aretin-kibo izay mampanahy be ihany amin’izao vanim-potoanan’ny hafanana izao. Misy ihany koa ny gripa mahery sy ny kohoka. Efa mihoatra ny 700 moa ireo mponina monina etsy La Reunion kely amin’izao.
Pati
Legende : Manaraka ny toetr’andro ny hafanana na hatsiaka iainana amin’itony trano vy toy ny ety La Reunion kely itony !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT