Sosialy

Mponina eny Analamahitsy cité « 40.000 Ar isaky ny m² no vidin’ny tany zakanay »


  • Talata 25 Jolay 2023

Nitaraina mafy ary niantso ny mpitantana ny kaominina Antananarivo renivohitra mba hijery ny fahasahiranan’izy ireo ireo mponina ao Analamahitsy Cite,

mbola tsy nahaloa ny vidin’ny tanin’ny CUA misy ny tranony. Raha tsiahivina mantsy dia tsy nanaiky ilay 2 hetsy Ar isaky ny m² takian’ny kaominina aminy ho vidin’ny tany misy ny tranon’izy ireo izy ireo fa 40.000 Ar ihany. Tsy tokony hamidy tsotra ny tany hoy izy ireo fa hatao vente location. Nanambaran’ireo mponina voakasik’izany fa tena sahirana izy ireo. Efa taranaka telo mantsy amin’izao ho an’ny sasany no mipetraka amin’ilay trano dia ny izy mivady tena nividy sy ny zanany ary ny zafiny. Amin’ny ankapobeny mbola adidy avokoa ireto farany nefa iretsy Ray aman-dReny nividy ihany koa efa tsy misy miasa intsony fa mandray vola fisotroan-dronono sisa hoy hatrany ny fitarainan’izy ireo. Efa mihoatra ny 60 taona ny nipetrahana teny amin’io toerana io moa ny ankamaroan’izy ireo. Aloha tsikelikely isam-bolana moa io volan’ny kaominina io miankina amin’izay tapaky ny roa tonta.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT