Sosialy

Mponina eny amin’ny faritra avo Tsy tokony hiandry ny miaramila hanala azy vao hiala


  • Alarobia 17 Novambra 2021

Tsy tokony hiandry ny miaramila hanala azy ireo olona monina eny amin’ny faritra avo vao handao ny toeram-ponenany hoy ny jeneraly Elack Olivier, tale jeneralin’ny birao nasionaly misahana ny loza voajanahary omaly.

 Efa nisy mantsy raha araka ny fanazavany ny fepetra noraisin’izy ireo toy ny fametrahana bandy miloko mena amin’ireo faritra tena ahitana toy ny eny amin’ny vohitr’i Manjakamiadana, ambonin’Ankatso ary ny eny Andrefanambohijanahary. Diso fantatr’ireo mponina loatra hoy izy omaly fa namoizana ain’olona maro teny amin’ireo faritra ireo 3 taona lasa izay. Ankehitriny efa manomboka mirotsaka indray ny orana hoy izy ka samy tokony ho tonga saina ny rehetra. Nomarihiny manokana moa fa tsy azo hatao intsony ny mikasika na manapoaka ireo vatobe eny an-toerana raha araka ny fanadihadiana nataon’ny manam-pahaizana hisorohana ny loza hafa mety hitranga indray.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT