Sosialy

Mponin'i Beabo Ambovombe Androy Nahazo fiofanana momba ny fanodinana sy fitahirizana sakafo


  • Talata 12 Mey 2020

Antoka iray lehibe hahafahana miatrika ny aretina « coronavirus » ny fananana hery fiarovana matanjaka.

 

 

 

 

Ny fihinanana sakafo ara-pahasalamana no isan’ny ahazoana izany. Ny any Androy anefa no isan’ireo Faritra eto Madagasikara manana olana amin’ny tsifanjariantsakafo, satria mahatratra 39% ny fahataran’ny taham-pitomboan’ny zaza any an-toerana, araka ny navoitran’ny fanadihadiana MICS farany. Noho izany indrindra dia nanome fiofanana ho an’ny mponina ao Beabo Ambovombe ny fikambanana « Ampela Mitraoke » izay mivondrona ao anatin’ny vovonana HINA. Odile MAROHIZA, tompon'andraikitry ny vovonana Hina any amin’ny Faritra Androy sy Rtoa Vola, mpikambana ao anatin’ny « Ampela Mitraoke » no nanome izany fiofanana izany. Niompana tamin’ny fanomezana lanja ny vokatra misy any an-toerana izy io. Nisongadina ny fomba fanodinana sy ny fomba fitahirizana an’ireo vokatra, ka nampianarina nandritra izany, ohatra, ny fanamboarana « gary mangahazo», lafarinina vita amin’ny mangahazo. Teo ihany koa ny famadihana ny raketa mena ho lasa kaofitira. Malaza ho manankarena fibra, vitamina sy mineraly rahateo ity voan-draketa tsy misy tsilo ity. Tanjon’izao fanofanana izao ny hananan’ny isam-pianakaviana sakafo ara-pahasalamana ampy mandritra ny taona ary koa ny hananan’izy ireo fidiram-bola mahavelona. Arahina fanentanana momba an’ireo fihetsika fisorohana ny aretina « coronavirus » hatrany moa ny fampiofanana omen’ny vovonana HINA.

 

 Marigny A

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT