Sosialy

Mponin' Ambatomaro Mangataka mba aterina isan-trano ny fanampiana


  • Alakamisy 16 Aprily 2020

Mahatratra 2.000 isa ireo olona sahirana ara-pivelomana monina ao amin’ny Fokontany Ampanotokana, Ambatomaro, kaominina Antananarivo renivohitra amin’izao.

 

 

 Raha araka ny fanazavan’ny sefom-pokontany ao an-toerana anefa dia mbola tsy nahazo fanampiana mihitsy izy ireo hatramin’ny fotoana nanombohan’ny fihibohana no mankaty. Iray volana mahery izay no vita raha tonga ny amin’ny sabotsy izao hoy hatrany ity sefom-pokontany ity saingy na fotsim-bary iray kapoaka omena ireo zokiolona aza tsy misy. Tototry ny fanontanian’ny mponina araka izany ireo tompon’andraikitra ao an-toerana momba ny anjara fanampiana tokony ho azy ireo avy amin’ny Fitondram-panjakana. Manao antso avo amin’ny Filoham-pirenena araka izany ireo mponina ao an-toerana mba hijery akaiky izany. Ankoatra izay dia anisan’ny hetahetan’ny mponina ihany koa ny hanaterana ny fanampiana isam-baravarana hisorohana ny filaharam-be, indrindra fa ho an’ireo efa voky taona.

 Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FIAROVANA NY
  • Talata 05 Mey 2026

FAHASALAM-BAHOAKA

  • KAOMINÎNA TALATAMATY
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Tantsaha an-jatony nahazo tohana

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

Hijery ny tohiny
FTT