Sosialy

Mpivarotra voninkazo eny amin’ny tamboho HJRA Hafindra eny By-Pass ?


  • Alarobia 04 Septambra 2019

Nandeha ary niely ny feo tamin’ireo mpivarotra voninkazo etsy amin’ny tambohon’ny hopitaly Hjra Ampefiloha fa halana amin’ny toerany hivarotany izy ireo.

 

 

 

 

 Ilain’ny tompony, hono, ny tany. Mahatratra 61 eo ny isan’ireo mpivarotra voninkazo eo. Tafiditra ao  koa ireo mpivarotra lambamena sy zezika ary “fraise”. Nambaran’ireo mpivarotra fa olona iray no nampiditra azy ireo teo amin’io toerany io ary araka ny filazan’izy ireo dia hafindra eny By-Pass  indray.  Tsy hitan’ireto farany izay toerana raikitra hametrahana azy ireo fa arirarira tahaka izao foana. Fanindimy izy ireo no nalana tamin’ny toerany, raha ny fanazavana azo hatrany. Tamin’ny voalohany, nivarotra teo amin’ny Lisea Rabearivelo, navadika tao amin’i René Dépius Analakely avy eo ary nalefa teo Anosy teo akaikin’ny anjely mainty ary navadika tao Mahamasina dia izao tadiavina hafidra eny By Pass izao. Nambaran’ireto farany fa mandoa hofan-tsena ara-dalàna sy “ticket” amin’ny kaominina izy ireo. Tsy hanaiky ny fandrirarirana azy ireo intsony ireto mpivarotra, fa manimba ny entana sady lany fotoana, hoy ny tatitra azo. Tokana ny tsena takiana sy hametrahana azy ireo dia aleo hiverina eny Anosy eny akaikin’ny anjely mainty, fa mety amin’izy ireo io toerana io.

 

Sitraka r.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT