Sosialy

Mpivarotra tsy manara-dalàna Alefa eny fitsarana izay mbola tratra mamerin-keloka


  • Alarobia 15 Jolay 2020

Roa isan’andro raha kely ireo mpivarotra tsy manara-dalana tratry ny mpitandro ny filaminana eny amin’iny distrikan’Antananarivo Atsimondrano iny, raha araka ny fanadihadiana natao.

 

 

 Misy amin’izy ireny no mbola mahasahy mivoha mihoatra ny amin’ny 12 ora atoandro ihany na dia efa nanaovana fanentanana aza ankoatra ireo mivarotra kojakoja tsy ilain’ny mponina amin’ny fiainana andavanandro nefa mbola tsy manara-dalàna ihany. Raha araka ny fantatra anefa dia misy amin’ireo mpivarotra no tena manaja ny fepetra ara-pahasalamana napetraky ny Fitondram-panjakana raha misy ireo tena tsy miraharaha mihitsy. Manoloana izany dia fantatra fa alefa eny amin’ny Fitsarana avy hatrany ireo tratra mbola mamerin-keloka nefa efa nanaovana fanentanana. Tia tena loatra mantsy izy ireny hoy hatrany ity ny mpitandro ny filaminana satria sady tsy miaro ny tenany sy ny manodidina azy no tsy miaro ny mpiray tanindrazana ihany koa.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT