Sosialy

Mpivarotra sainam-pirenena Mahavita dia an-tongotra 15 km isan’andro


  • Alakamisy 11 Jona 2020

Nanomboka ny 01 Jona lasa teo no mandehandeha mitety tanana ireo mpivarotra sainam-pirenena ho fankalazana ny tsingerin-taona faha-60 niverenan’ny fahaleovantena.

 

 

 

 

Folo isan’andro no lafon’izy ireo hatreto, miankina amin’ny dia an-tongotra vitany ka 2.000 Ar no mora indrindra amin’ireny sainam-pirenena ireny, 3.000 Ar ny antonony raha 10.000 Ar no lehibe indrindra. Raha araka ny resaka nifanaovana tamina mpivarotra sainam-pirenena iray eto an-drenivohitra dia miainga eny Anosizato izy, mandalo Anosibe, miampita Isotry, miazo an’i Tsaralalana ary tsy mijanona raha tsy tonga eny Analakely. 15 km eo ho eo ny dia an-tongotra vitany isan’andro raha tsy maintsy manenjika ny fifaranan’ny taxibe amin’ny 03 ora hariva kosa aorian’izany. Amin’ny ankapobeny raha araka ny fanazavany hatrany dia saia mividy sainam-pirenena avokoa ny sokajin’olona rehetra, manomboka amin’ny olon-tsotra ka hatramin’ireo tompon’andraikitra eny anivon’ny biraom-panjakana.

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT