Sosialy

Mpivarotra rava tsena eny Soarano “Simba ny fananay, simba ny fiananay”


  • Alarobia 21 Oktobra 2020

Raikitra ny fanesorana sy fandravana ireo tsena eo ampitan’ny Pochard Soarano omaly.

 

 

Nandresy tany amin’ny Fitsarana ny teo anivon’ny Kaominina Antananarivo (CUA) teo anatrehan’ny fifanolanana, ka izay no ambaran’izy ireo fa antony. Tsy nisy fifampiresahana, roa volana teo ho eo izay, dia nisy ny teny midina hialana ao anatin’ny 48ora. Taorian’ny fandresen’ny CUA dia nanao fampiakarana ny raharaha ireo mpivarotra. “Nanao fampiakarana amin’ny fitsarana ambony kokoa, ary anio no ambaran’ireto mpivarotra fa hivoaka ny didy. Efa mieritreritra ve izany ny CUA fa izy ireo no mpandresy, ka niroso avy hatrany amin’ny fandravana sy famefena. Tsy mpitsara akory izy ireo, ka mba tokony miandry an’izay didy izay aloha. Ekenay ny fanatsarana ny tanàna, fa kosa raha amin’ny zava-misy eto amin’ny firenena dia tsy mety ny fanimbana fotodrafitrasa. An-tapitrisany maro no lany tamin’izany. Miandry fifampiresahana izahay, ary tsy olana hoe izao no tokony haloanay, fa tsy tokony hisy ny fandrodanana, simba ny fivelomanay, simba ny ankohonanay”, hoy i Christophe Ranaivoson, iray amin’ireo mpivarotra. Nilela-paladia izy ny alatsinainy teo hoe aleo tsy ravana ny trano, ka nofefena fotsiny aloha, saingy nisy fandravana. 5 tafo amin’ny 14 no efa noravana ny tafo. Manaiky fandaminana izahay, tsy vahaolana ny fandravana, ary tsy nilanja sora-baventy, ka mba tokony hijery anay ny Fanjakana, hoy izy ireo. “Raha misy miteny hoe any amin’ny sisin-dalàna dia nisy fifanarahana ara-dalàna nataon’ireo olona ireo. Tokony jerena ny maha-olona, fa tsy ao anatin’ny krizy mivaivay mahazo ny firenena tahaka izao ve hatao very asa ireo olombelona. Mitohy ny didy jadona sy ny letrezana ka tsy azo ekena izao. Ankatso, Esplanade, Sorano,… dia ho sanatria ve ho tapitra harodana daholo satria fifanarahana teo aloha”, hoy ny Mpanolotsaina Monisipaly Clémence Raharinirina eo anatrehan’ny zava-misy.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FIAROVANA NY
  • Talata 05 Mey 2026

FAHASALAM-BAHOAKA

  • KAOMINÎNA TALATAMATY
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Tantsaha an-jatony nahazo tohana

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

Hijery ny tohiny
FTT