Sosialy

Mpivarotra kojakoja ankoatra ny sakafo Nanaovan’ny miaramila bemidina ny teny Itaosy


  • Alarobia 15 Jolay 2020

Anisan’ny tanàna ho voasokajy maro olona mafy loha ny eny Itaosy sy ny manodidina na dia efa tsy mitsaha-mitombo aza ny isan’ireo olona mamoy ny ainy vokatry ny fiparitahan’ny Covid 19.

 

 

 

 

 Nanaovan’ny miaramila bemidina ny teny an-toerana omaly araka izany ka ankoatra ny teny Andranonahoatra dia nidiran’izy ireny ihany koa ny teny Ambaniala sy Ambanilalana izay feno olona mifanaretsaka isan’andro toy ny manao fety. Ankoatra ny fijerena sy ny fanaraha-maso ireo olona tsy manao arotava dia anisan’ny nojeren’izy ireo akaiky ireo tsena mivarotra zavatra kojakoja tsy tena ilain’ny mponina ankoatra ny sakafo toy ny akanjo, ny kapa, ny tavoahangy….Nasaina nangoron’entana avy hatrany ireo tratra ankoatra ny fampitandremana nomena azy. Nandany tapak’andro maraina mihitsy moa omaly ireto miaramila ireto raha nandalo teny Itaosy raha niandry teny amin’ireo sakana ara-pahasalamana toy ny mahazatra kosa ny polisy sy ny zandary. Mbola nanara-maso ny fanidina ny tsena rehetra ihany koa izy ireo nanomboka tamin’ny 12 ora atoandro.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT