Sosialy

Mpivarotra kiraro fripy Matiantoka tanteraka


  • Alarobia 08 Aprily 2020

Velon-taraina tanteraka ireo mpivarotra kiraro fripy amin’izao fotoana izao nohon’ny fatiantoka mahazo azy ireo.

 

 

Ny maraina ihany no mangalatra kely mivarotra ary tena alefa mora ny entana kanefa vitsy tena vitsy ny mpividy ary indraindray aza dia mody maina tsy misy vola. Ny Paska no mba nantenaina ho tsara tsena kanefa very an-javona ny fanantenana noho ny toe-draharaha misy ankehitriny. Nanazava ny mpivarotra kiraro fripy iray etsy amin’ny Coum 67 ha fa taloha tsy mbola tafiditra teto ny valan’aretina dia mahalafo kiraro 4 isan’andro farafahakeliny rehefa tena tsy misy ny tsena. Ny tombony amin’izany dia 30 000 Ariary raha tena maka kaonty ambany. Velona tsara izahay 4 mianaka hoy Atoa Rija na dia misy aza ny hofantrano sy ny jiro ary ny saram-pianaran’ny ankizy. Fa ny tena mampikaika dia mbola misy ihany koa ny findramam- bola natao tamin’ny Orinasa Mpampindram-bola madinika iray nampitomboana ny entana herintaona lasa izay. Mbola misy enim-bolana vao vita ny famerenam-bola ary soa fa anisan’ny tafiditra tao anatin’ireo afaka mandoa vola tsikelikely araka izay fahafahana ny tenany. Mandalo fahasahiranana tanteraka izahay mpivarotra kiraro fripy hoy hatrany Atoa Rija satria ny entana efa mihena isan’andro ary tena amidy mora hamonoana antoka kanefa lany sakafo ny vola. Manginy fotsiny ny hofantrano sy ny jiro tsy maintsy aloa hoy hatrany izy. Tsara ho marina fa anisan’ireo tokony miato aloha tahaka ny varotra akanjo ny varotra kiraro amin’izao fepetra manokana fihibohana izao satria tsy tafiditra ao anatin’ireo entana laharampahamehana amin’ny fiainana andavanandro tahaka ny sakafo sy ny fanafody.

Tsirinasolo

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT