MPIVAROTRA HANI-MASAKA

Mikaikaika ho tsy mahalafo entana intsony


  • Alatsinainy 23 Jona 2025

Asa fihariana maro no maty eto amintsika nefa mamelona ankohonana an'aliny.

Vokatry ny delestazy dia tsiahivina fa tsy azo hianteherana intsony ny asa fanamboaram-bolo, fanamboarana kodiarana, fanaovana mofomamy, fivarotana trondron-dranomasina...Ankehitriny miely sy miparitaka indray ny vaovao momba ny menaka sy lafarinina tsy azo antoka, indrindra taorian'ilay fanapoizinana ara-tsakafo faobe nitranga teto amintsika, herinandro mahery izay ka nahafatesana olona mihoatra ny 20 isa. Misedra olana vokatr'izany ireo mpivarotra hani-masaka sy kafe sy mofo. Zara raha misy mividy ny entana. Raha araka ny fanazavan'ny Renim-pianakaviana mpivarotra iray dia na dia ireo mpanjifa mahazatra aza tsy hita intsony. Ny vidin'ireo kojakoja ilaina anefa eo an-danin'izay tsy mitsahatra midangana toy ny lafarinina, siramamy....Manahy mafy ny mety ho aviny araka izany ireo mpivarotra hani-masaka eto amintsika. Tsiahivina hatrany moa fa ny tranga tahaka ireny dia tsy mitsahatra ny mampitombo ny isan'ireo tsy an'asa eto amintsika, antony mahatonga ireo mpiara-belona hifamono sy hifampitsentsitra an-toerana.
Pati
Légende : Matahotra menaka ny olona dia tsy misy sahy mividy na mihinana composé 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Krizy goavan'ny famatsiana angovo
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Nodidian’ny Fanjakana ho

  • Rakoto Jean Pierre
  • Alarobia 08 Aprily 2026

"Aza zarina amin'ny bôjo ny Vahoaka !"

  • Antananarivo Renivohitra
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Raikitra indray famindrana

Hijery ny tohiny
FTT