Sosialy

Mpivarotra hani-masaka eny an-dalambe Misy polisy kaominaly manara-maso in-droa isan-kerinandro


  • Alatsinainy 08 Jolay 2019

Tsy misy ny asa, mitombo isan’andro ny mpivarotra amoron-dalana. Ireo mpivarotra hani-masaka no mameno ny faritra rehetra manerana ny renivohitra.

 

 

 Misy amin’izy ireo no tsy mampiasa “vitrine” fa mampirantiranty ny sakafo izay amidiny. Misy ireo mampiasa sarony ary ny hafa manasarona ny azy

amin’ny selofanina. Mampiasa latabatra ireo mpivarotra sakafo masaka etsy Anosy sy Mahamasina

ary Andravoahangy. Misy manao ny sakafony ao anaty “vitrine”, misy mametraka ny azy eny ambony latabatra, ka tongavan’ny lalitra sy ny vovoka ary ny fako manidina entin’ny rivotra. Ho an’ireo mpivarotra nanaovana ny fanadihadiana dia normaly, hoy izy ireo raha mampiasa “vitrine” na saronana ny sakafo amidy, nefa ilay mibata mivoaka miditra an’io vitrine io no tsy mety

amin’izy ireo. Zara raha mandeha ny tsena amin’izao, nefa mbola handoa ny karaman’ny mpibata entana, hoy ny sasany tamin’izy ireo. An-kilany, tsy misy fiantraikany amin’ireo mpajifa ny sakafo hohanina, satria efa misy zatra izany izy ireo. Mpivarotra hani-masaka sivy no eny Andravoahangy

ary 500 ariary ka hatramin’ny 1.000 ariary dia afaka misakafo. Nambaran’ireto mpivarotra fa misy polisy kaominaly sy avy eo anivon’ny BMH no manao fitsirihana in-droa isan-kerinandro eny amin’ireo toerana voalaza etsy ambony. Nanamafy tamin’ireto mpivarotra, ireo polisy, fa tokony hadio lalandava ny sakafo amidin’izy ireo ary tokony hampiasa fitaovana fiarovana amin’ny loto

maro samihafa. Ny mpitsabo tao amin’ny trano fameloman’aina ao amin’ny Hjra na Reamed, dia nilaza fa tokony hitandrina mandrakariva izay fahadiovany izay, ireo mpivarotra amoron-dalana, mba tsy ho azon’ny loto ny sakafo amidin’izy ireny, fa lasa mankarary kibo. Nambaran’io mpitsabo io fa tokony hampiasa sarony ireo mpivarotra ary tsy atao tratry ny vovoka na loto hafa. Tokony ho rano madio lalandava no ampiasain’izy ireo ary mitandro izay fahadiovana izay. Raha sanatria ka marary vokatry ny fihinanana sakafo an-dalambe ny mpajifa dia tokony hamonjy dokotera na toeram-pitsaboana aorian’ny fihinanana ilay sakafo.

 

Sitraka r.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT