MPIVAROTRA FITAFIANA SY KIRARO

Kivy ny ankamaroany, mijery fotsiny ny mpanjifa


  • Zoma 15 Desambra 2023

Kivy ny ankamaroan’ireo mpivarotra eto an-drenivohitra amin’izao ankatoky

ny fankazana ny fetin’ny Noely sy ny faran’ny taona izao. Na dia efa 10 eo ho eo aza mantsy sisa dia higadona izany fotoana manan-danja izany dia mbola tena maina ny tsena. Ny 95%-n’ireo mpanjifa dia mbola mijery fotsiny daholo avokoa raha ny 5% monja no mba mividy. Raha araka ny resaka nifanaovana tamina mpivarotra kiraro sy fitafiana iray etsy Behoririka dia efa tena tsy naharaka izy ireo tamin’ny tapaky ny volana Desambra tahaka izao tamin’ny roa taona lasa. Ankehitriny anefa torimaso sisa no alaina eny an-tsena noho ny tsy fisian’ny mpividy. Somary niaka-bidy rahateo ny fitafiana sy ny kiraro tamin’ity taona ity raha araka ny fanazavany. Manodidina ny 10% eo ho eo izany fiakarana izany ho an’ireo entana vao nafarana koa raha 80.000 Ar ny akanjom-behivavy iray tohin-tena teo aloha dia niakatra ho 88.000 Ar amin’izao. Toraka izany koa ny kiraro ka ny kiraron-dehilahy no tena lafo indrindra izay misy mahatratra hatrany amin’ny 200.000 Ar mahery. Manahy mafy ny tsy hisian’ny tsena mihitsy noho izany ireo mpivarotra vokatry ny fahasahiranan’ny olona. Mbola ny vary sy ny laoka hohanina isan’andro ihany aloha no tsy maintsy hihazakazahana fa ny ankoatra izay dia misy tafiditra anaty fandaharam-potoana.
Pati
SARY FANEHOANA
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT