Sosialy

Mpivarotra etsy amin’ny Fasan’ny Karana Nitokona indray, tsy hanaiky fa ho eny Ambohimanambola


  • Alatsinainy 26 Martsa 2018

Rehefa tsy nisy nahazo alalana hivarotra eny amin’ny tobim-piantsonana vaovao eny Andohatapenaka ireo mpivarotra etsy amin’ny Fasan’ny Karana dia nanambara indray izy ireo ny faran’ny herinandro teo fa tsy maintsy hanaraka ireo mpitatitra mihazo ny lalam-pirenena fahafito hifindra eny Ambohimanambola.

Vinavinaina hifindra ato ho ato mantsy izy ireo raha tsy misy ny sampona. Nanambara anefa ny tompon’andraikitra fa ny  mba hahafahana miala amin’ny gaboraraka mihitsy no tena tanjona amin’ny fananganana ireo tobim-piantsonana roa vaovao ireo. Anisan’ireny ny fisiana mpivarotra marobe mitsitokotoko etsy sy eroa. Eo ihany koa ny fisiana mpanera tsy fanta-piaviana manakorontana sy mandrirotra ny entan’ireo mpandeha ka tsy maintsy handraisana fepetra mitovy. Na izany aza anefa dia nanamafy ireo mpivarotra ireo fa tsy hihemotra amin’ny fahapahan-keviny, indrindra fa ireo nindram-bola tamin’ny banky sy naka volan’olona nananganana tsena tetsy amin’ny Fasan’ny Karana. Ho an’ireo mpitatitra mihazo ny lalam-pirenena voalohany manokana moa toy ny mihazo an’Arivonimamo… dia fantatra fa neken’ireo tompon’andraikitra ihany ny hiverenany eny amin’ny tobim-piantsonan’izy ireo teo aloha eny Anosizato.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

  • Tataho Manakara
  • Talata 22 Septambra 2026

Nahazo trano fonenana sosialy

  • FIANAKAVIANA
  • Talata 22 Septambra 2026

MAY TRANO TAO MAROVOAY

Hijery ny tohiny
FTT