Sosialy

Mpivarotra eto Antananarivo sy ny manodidina Efa tafakatra an’aliny


  • Sabotsy 16 Jona 2018

Afaka fotoana fohy dia ho lasa mpivarotra avokoa ny antsasaky ny fianakaviana Malagasy.

 

Ho an’Antananarivo manokana mantsy raha miisa 20 isam-pokontany fotsiny ireo mpivarotra manerana ny Boriborintany enina dia efa mahatratra 3.840 izy ireo ankoatra ireo mivondrona isaky ny andro tsena toy ny etsy Mahamasina izay mahavory mpivarotra 1.000 isa isaky ny alakamisy miaraka amin’ireo mandehandeha, ny eny Besarety, Andravoahangy, Pochard, Petite Vitesse … Miteraka olana maro anefa ny hamaroan’izy ireny. Ankoatra ny hateren’ny lalana izay tsy atahoran’ireo mpivarotra ny fiara mandalo intsony dia mahazo vahana ihany koa ny fitohanan’ny fifamoivoizana, mirongatra ny mpangarom-paosy, maloto ny tanàna. Mikorontana ihany koa izay jeren’ny maso, sahirana ny kaominina Antananarivo Renivohitra amin’ny asa fanadiovana. Tsiahivina moa fa anisan’ny taratra iray ahitana ny fahantran’ny firenena iray ny hamaroan’ny mpivarotra. Na izany aza anefa dia tokony hiezaka hitady zavatra hafa ny sasany fa tsy variana amin’ny fikarohana  vola maika fotsiny hiatrehana ny fahasahiranana isan’andro. Ho an’ny kaominina Antananarivo renivohitra dia efa misy ny paikady entiny handaminana ireny mpivarotra tsy ara-dalàna eto amintsika ireny koa andrasana izay mety ho vokany.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

  • Tataho Manakara
  • Talata 22 Septambra 2026

Nahazo trano fonenana sosialy

  • FIANAKAVIANA
  • Talata 22 Septambra 2026

MAY TRANO TAO MAROVOAY

Hijery ny tohiny
FTT