Sosialy

Mpivarotra eo amin’ny Esplanade Analakely Nankasitraka ny vahaolana sy fandaminan’ny CUA


  • Sabotsy 29 Septambra 2018

Miroso tsikelikely amin’ny fandaminana ny mpivarotra amoron-dalana ny kaominina Antananarivo renivohitra (CUA), mba hanatsarana endrika ny renivohitra ho soa iombonan’ny Malagasy, araka ny teny filamatry ny ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana.

 

 Ankehitriny ,  niova endrika  ny   eo ampitan’ny Pavillon Analakely   izay  nanombohana ny  asa fanamboarana,  satria niara-nientana ireo mpivarotra  rehetra  nanaraka ny fandaminana nataon’ny  CUA amin’ny  fanamboarana tsena vita amin’ny trano vy,  izay ny mpivarotra ihany no  manamboatra  azy.  Ny kaominina kosa no mandamina sy  manome ny toerana  hivarotan’izy ireo .  Naneho ny hafaliany ireo mpivarotra  satria  tsy hanelingelina  sy hanao sakoroka  araka  ny fitenin’ny tanora  amin’ny fivondronana  intsony  izy ireo, fa  hitady vola am-pilaminana .  “Marihina fa antsitrapo  no nanaovanay  ny fanamboarana  ary  tsy nisy vola naloa tamin’ny CUA na ariary aza araka ny feo miely, fa izahay ihany no manamboatra ireo toeram-pivarotana vy ireo. Tsapanay fa  mahasoa anay ny  nataon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra tarihin’ny ben’ny Tanàna Lalao Ravalomanana, koa isaoranay  manokana izy amin’izany satria mitsimbina  anay”, hoy ireo mpivarotra. Arak’izany, afaka ny fahasahiran’ny mpivarotra amoron-dalana  manamorona  ny tsena vaovao  eo amin’ny Espalanade ankehitriny.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT