Sosialy

Mpivarotra eny Mahazo Nitokona nanoloana ny lapan’ny tanànan’Analakely


  • Alakamisy 30 Janoary 2020

Nitokona nanoloana ny lapan’ny tanànan’Antananarivo Renivohitra omaly folakandro ireo mpivarotra amoron-dalana tsy ara-dalàna eny Mahazo.

 

 

 Noesorina tamin’ny toerany ihany koa mantsy izy ireo toy ireo teny Analakely sy Tsaralalana, hahafahana mamerina amin’ny mpandeha an-tongotra ny lalana tokony ho azy sy ny manalalaka ny fifamoivoizana. Tsy zakan’ireo mpivarotra anefa izany ka nitroatra izy ireo niaraka tamin’ny filanjana sorabaventy. Nambaran’izy ireo fa tsy rariny ny fanesorana azy amin’ny toerany ka mangataka vahaolana maharitra avy amin’ny kaominina izy ireo. Tsy ara-dalàna anefa izy ireo sady mandoto tanàna.  Nalalaka ihany koa ny fifamoivoizana taorian’ny nanalana azy ireo tamin’ny toerany. Tsy mbola fantatra moa izay ho tohin’ny hetsika hataon’izy ireo fa ny hany fantatra dia tsy hilefitra amin’ireo mpivarotra amoron-dalana tsy ara-dalana intsony ny kaominina. Toraka izany koa ireo taksibrosy niantsona nanoloana ny tambohon’ny fiangonana Advantista eny Mahazo izay nalana tamin’ny toerany.

Pati

 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT