Sosialy

Mpivarotra eny Besarety “Tsy mbola nahazo alalana hivarotra”, hoy ny sefo fokontany


  • Zoma 13 Septambra 2019

Tsy nisy filazana tamin’ireo mpivarotra fa afaka mivarotra eo amin’ny lalana Besarety izy ireo.

 

 

 

 

 Matoa mivarotra dia nahazo alalana tany amin’ny kaominina, hoy ny sefo fokontany Besarety,  Ratsarafara Paul. Misy olona mizara “ticket” eny an-toerana matoa afaka mivarotra tsy misy mpanelingelina. Araka ny nambarany, miandry ny “reception technique” ny lalana, ireo mpivarotra sy ireo olona mampiasa ny lalana, vao mampiasa sy mivezivezy ny lalana eny Besarety, hoy hatrany ny sefo fokontany.  Raha ny fanazavany, ny moto sy ny bisikileta no nanimba ireo faritra mena napetraky ny mpanamboatra lalana izay mitaraina fa voahosihosy ny asa ataon’izy ireo, ka  afaka mivezivezy malalaka izy ireo amin’izao, nefa tsy maina tsara ny “beton” amin’io lalana io, hoy hatrany ny sefo fokontany. Raha te hivarotra dia maka alalana na mifampiraharaha any amin’ny kaominina. Tsy azon’ny fiara handehanana ihany koa fa mijanona eny amin’ny “parking” La Rotonde ny fiara amin’ny alina.

 

Sitraka r.

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT