Sosialy

Mpivarotra eny Anosy Mahazo mivarotra fa tsy maintsy maka sisiny


  • Alatsinainy 16 Martsa 2020

Toy ny teny amin’ny Arcade Analakely dia nalana tamin’ny toerany daholo ihany koa ireo mpivarotra amoron-dalana teny amin’ny Instat Anosy sy ny manodidina nanomboka ny Alakamisy teo.

 Am-polony maro izy ireo no voakasik’izany. Tsy nanaiky mora foana  anefa ireto farany noho ny tsy fisian’ny vahaolana maharitra nomena azy ka nanatona mivantana ny lehiben’ny tsena. Toraka izany koa ny prefektioran’Antananarivo sy ny kaominina Antananarivo renivohitra. Tapaka nandritra ny fihaonan’ny roa tonta fa afaka mivarotra indray aloha izy ireo saingy tsy maintsy maka sisiny kosa manaja ny lalan’ny mpandeha an-tongotra. Tsy maintsy manaja ny fahadiovana ihany koa hisian’ny fifampitsinjovana. Nambaran’ireo mpivarotra taorian’izany fa vonona izy ireo ny hanaja ireo fepetra ireo.  Vonona koa izy ireo  ny hifindra toerana rehefa misy ny vahaolana maharitra saingy mandrapaha aloha dia mangataka ny hahafahany mivarotra isan’andro izy ireo hamelomany ny ankohonany.

 

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

Hijery ny tohiny
FTT