Sosialy

Mpivarotra eny Analakely Amin’ny 24 jona no afaka mivarotra farany


  • Zoma 19 Jona 2020

Amin’ny 24 jona ho avy izao no afaka mivarotra toy ny mahazatra farany ireo mpivarotra eny Analakely manomboka eny amin’ny RM1 ka hatreny Soarano.

 

 

 

Ho fanomanana ny fankalazana ny fetim-pirenena 26 Jona no anton’izany ka hisy ihany koa ny am-pahan-dalana maromaro ho tapaka. Hikatona avokoa araka izany ny tsena rehetra eny amin’ireo faritra ireo ary tsy hiverina hiasa raha tsy ny datin’ny 27 Jona, izany hoe : 3 andro aty aoriana. Izany no natao moa dia ho fampahafantarana ny mponina rehetra fa tsy ho tsenabe toy ny isan-taona ny eny Analakely amin’ity taona ity rehefa 25 sy 26 Jona. Mila mandeha mialoha araka izany raha mikasa hiantsena fety eny Analakely na mamonjy tsena hafa. Ho an’ny arendrina manokana na dia tsy misy aza ny arendrina mitety tanana amin’ity taona ity noho ny hamehana ara-pahasalamana dia azon’ny ankizy hatao tsara ny milalao izany eo an-tokontany. Eny Anosibe kosa no ahitana ireo arendrina vita gasy.

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT