Sosialy

Mpivarotra eny amin’ny cité Mahamasina Hafindra eny Namontana


  • Talata 09 Oktobra 2018

Nihaona mivantana tamin’ny delegen’ny Boriborintany fahefatra omaly ireo mpivarotra amoron-dalana nesorina tetsy amin’ny cité Mahamasina ny herinandro teo.

 

 

 

Nivoitra nandritra izany  fa hafindra etsy amin’ny tsenan’i  Namontana izy ireo ato ho ato,   izay marihina fa efa manodidina ny 100 isa. Nizara roa ny hevitr’ireo mpivarotra. Nisy ireo nanaiky  noho ny fandrenesana fa mbola malalaka ny tsena eny an-toerana fa nisy ihany koa ireo nanda avy hatrany. Friperie,  finday ary kojakoja maro samihafa no hamidiny eny amin’ny cité Mahamasina koa  nahoana no dia hafangaro amin’ny legioma izay mampahalaza ny tsenan’i Namontana ? Tsy mbola nahitana valin-teny matotra ireo mpivarotra raha nanesika ny amin’ny fanapahan-kevitra tsy maintsy horaisiny kosa ny teo anivon’ny boriborintany fahefatra. Tsiahivina fa fitokonana lavareny niaraka tamin’ny fitsofana  kiririoka sy ny filanjana sorabaventy no nentin’ireo mpivarotra tetsy Mahamasina cité nanehoana ny tsy hafaliany tamin’ny nanalana azy ireo tamin’ny toerany ny herinandro lasa teo.

Pati

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT