MPIVAROTRA ENTA-MADINIKA

Nitombo avo roa heny ny mitady vonjy amin’ny alalan’ny trosa


  • Talata 04 Febroary 2025

Vao miandoha ny taona 2025 dia efa hita taratra ny fahasahiranana mianjady amin’ny tokantrano Malagasy.

Mahery vaika mihitsy izany raha araka ny fanadihadiana natao tamina toeram-pivarotana enta-madinika iray eny Atsimondrano eny. Nitombo avo roa heny mantsy ireo mpitrosa nila vonjy taminy raha araka ny fanazavan’ny Renim-pianakaviana mpivarotra iray tamin’iny volana Janoary 2024 nivalona iny. Tafiditry ny trosa hatramin’ireo heverina fa mba manana fiainana mety raha ny nambarany ka ny vary sy ny menaka ary ny savony amin’ny ankapobeny no tena be mpaka. Tokantrano 40 teo ho eo raha araka ny fantatra hatrany no nitrosa tao amin’ity toeram-pivarotana enta-madinika iray ity raha 20 izany tamin’ny volana Novambra sy Desambra taona 2024. Saika amin’izao fiandohan’ny volana Febroary izao avokoa raha amin’ny tapaky ny volana farafahatarany no mandoa ny trosany ny ankamaroan’ireo tokantrano ireo. Nambaran’ity Renim-pianakaviana mpivarotra ity hatrany moa fa aleon’izy ireo misy mitrosa ny entany toy izay hihitsoka fotsiny eo. Mihena isan’andro mantsy amin’izao ny entana vidian’ny olona noho ny fidangan’ny vidim-piainana. Raha vary 4 kapoaka isan-tokantrano isan’andro mantsy no novidian’ny olona iray tamin’ny volana Novambra teo dia nihena ho 2 kapoakabe izao izany. Lasa mividy menaka tapany ihany koa ireo mpividy amin’ny litatra….Voatery nampihena ny entana alainy ihany koa ireo mpivarotra enta-madinika vokatr’izany.
Pati
Legende : Ny vary sy ny menaka no tena be mpitrosa eny amin’ireny mpivarotra enta-madinika ireny !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT